Romans 8:29
satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ ny rahalahy maro Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 33:12Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
Psalms 1:6Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
Jeremiah 1:5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena.
Matthew 12:50Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
John 17:16Tsy naman’ izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
John 17:22Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: