Epistily ho an'ny Romana 8:31
Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
What shall we then say to these things? If God be for us, who can be against us?
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Genesis 15:1Rehefa afaka izany, dia tonga tamin’ i Abrama ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Deuteronomy 33:29Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
1 Chronicles 19:15Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan’ i Abisay, rahalahin’ i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
Psalms 46:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta; At-alamoth; Tonon-kira.
Psalms 46:11Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.