Epistily ho an'ny Romana 8:34
Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Numbers 7:15ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Job 34:29Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
Psalms 109:31Fa mitsangana eo ankavanan’ ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny.
Jeremiah 50:20Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan’ ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok’ izay sisa narovako.
Mark 16:19Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra.
John 16:23Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.