Epistily ho an'ny Romana 8:38
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
John 10:28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako.
Romans 14:8Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany.
1 Corinthians 15:54Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona.
2 Corinthians 5:4Fa isika izao amin’ izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin’ ny fiainana ny mety maty.
Ephesians 1:21ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,
Philippians 1:20araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.