Epistily ho an'ny Romana 8:9
Fa ianareo tsy ao amin’ ny nofo, fa ao amin’ ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Ezekiel 11:19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
Luke 11:13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?
John 3:34Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.
John 17:9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
Romans 8:11Ary raha ny Fanahin’ izay nanangana an’ i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’ i Kristy Jesosy tamin’ ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
1 Corinthians 3:21Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra: