Epistily ho an'ny Romana 9:18
Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Therefore hath he mercy on whom he will have mercy, and whom he will he hardeneth.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 9
Cross References
Exodus 7:13Dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Deuteronomy 2:30Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Isaiah 63:17Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
Acts 28:26manao hoe: Mandehana any amin’ ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
Romans 5:20Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,
Romans 11:7Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ ny sisa;