Epistily ho an'ny Romana 9:20
Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’ Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’ izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 9
Cross References
Job 16:3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
Job 36:23Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
Job 40:2Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!
Job 40:8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
Isaiah 29:16Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
Isaiah 64:8Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masìna Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.