Boky voalohan'i Samoela 1:17
izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’ i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 1
Cross References
1 Samuel 3:17Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’ i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon’ Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
2 Samuel 3:9Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
2 Samuel 19:13rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka?
1 Kings 19:2Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
2 Kings 6:31Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.
Acts 20:24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.