Boky voalohan'i Samoela 1:6
Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin’ ny tany Moaba; fa efa reny tany amin’ ny tany Moaba fa novangian’ i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 1
Cross References
Genesis 21:1Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
Genesis 48:15Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
Exodus 3:16Mandehana, dia angòny ny loholon’ ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
Exodus 16:4Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’ andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
Psalms 102:14Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
Psalms 111:5Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.