Boky voalohan'i Samoela 2:10
Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 2
Cross References
Genesis 18:2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
Ruth 2:2Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin’ i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’ izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
Ruth 2:19Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany
2 Samuel 7:18Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
2 Samuel 19:28Nefa nendrikendrehiny tamin’ ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
Matthew 15:22Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra.