Boky voalohan'i Samoela 2:14
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 2
Cross References
Deuteronomy 8:10Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an’ i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
Ruth 2:18Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan’ ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
1 Samuel 25:18Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’ aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ ny boriky izany.
2 Kings 4:43Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’ i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
Psalms 23:5Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
Isaiah 32:8Fa ny mitoetr’ andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.