Boky voalohan'i Samoela 2:20
Dia hoy Naomy tamin’ ny vinantonivavy: Hotahin’ i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’ izay mahavotra antsika izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 2
Cross References
Deuteronomy 25:5Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin’ ny maty; fa ny rahalahin’ ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
Ruth 3:10Dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ ny ato aoriana ianao noho ny tamin’ ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
Ruth 4:4Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’ izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ ny loholona amin’ ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
Ruth 4:14Ary hoy ireo vehivavy tamin’ i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ ny Isiraely.
2 Samuel 9:1Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?
Job 29:12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.