Boky voalohan'i Samoela 3:7
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ ny rafozani-vavy azy.
Read all of Boky voalohan'i Samoela 3
Cross References
Judges 16:25Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an’ i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan’ ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan’ ny andry izy.
Judges 19:9Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
2 Samuel 13:28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Esther 1:10Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
Ecclesiastes 2:24Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ ny tànan’ Andriamanitra
Ecclesiastes 8:15Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’ Andriamanitra azy atỳ ambanin’ ny masoandro.