Tononkiran'i Solomona 4:6
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ ny ditin-kazo mani-pofona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ ny lilia.
7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
Read all of Tononkiran'i Solomona 4
Cross References
Exodus 30:8ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
Exodus 37:29Ary nanao ny diloilo fanosorana masìna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra.
Psalms 66:15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.]
Song of Solomon 4:14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin’ ny zava-manitra tsara rehetra;
Malachi 1:11Fa hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ ny jentilisa, ary any amin’ ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ ny anarako; fa lehibe any amin’ ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Luke 1:9araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.