Tononkiran'i Solomona 4:9
Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ ny masonao an-ila sy tamin’ ny rojo anankiray amin’ ny vozonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 4
Cross References
Genesis 20:12Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ ny raiko, fa tsy mba zanakavavin’ ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
Psalms 45:9Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Proverbs 6:25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
Song of Solomon 1:15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.
Song of Solomon 4:10Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
Song of Solomon 5:1Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.