Epistily ho an'i Titosy 1:4
ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'i Titosy 1
Cross References
Luke 2:11fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.
Romans 1:7ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2 Corinthians 2:13dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
2 Corinthians 7:6Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin’ ny nahatongavan’ i Titosy,
2 Corinthians 8:6ka dia nangataka an’ i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
2 Corinthians 8:23Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.