Epistily ho an'i Titosy 1:5
Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'i Titosy 1
Cross References
1 Chronicles 6:32zanakalahin’ i Maly, zanakalahin’ i Mosy, zanakalahin’ i Merary, zanakalahin’ i Levy.
Isaiah 44:7Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
Acts 11:30Dia nataony izany, ary ny tànan’ i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ ny loholona.
Acts 27:7Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin’ i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin’ i Salmona izahay;
Acts 27:21Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
1 Corinthians 14:40kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ ny fahamendrehana sy ny filaminana.