Epistily ho an'i Titosy 1:9
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
10Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
Read all of Epistily ho an'i Titosy 1
Cross References
Job 27:6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza.
Acts 18:28fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ ny olona ka naneho marimarina tamin’ ny Soratra Masìna fa Jesosy no Kristy.
1 Thessalonians 5:21Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
1 Timothy 1:10ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
1 Timothy 1:19amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ ny finoana;
1 Timothy 6:3Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,