Epistily ho an'i Titosy 2:14
Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'i Titosy 2
Cross References
Exodus 15:16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
Leviticus 25:41Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.
Numbers 25:13ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken’ ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an’ Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Deuteronomy 14:2Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Psalms 130:8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.
Ezekiel 36:25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.