Epistily ho an'i Titosy 3:10
Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A man that is an heretick after the first and second admonition reject;
In Context
11satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
Read all of Epistily ho an'i Titosy 3
Cross References
Romans 16:17Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny.
1 Corinthians 11:19Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
Galatians 5:12Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.
2 Thessalonians 3:6Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
2 Timothy 3:5manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
2 John 1:10Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;