Epistily ho an'i Titosy 3:8
Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'i Titosy 3
Cross References
Job 22:2Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
Psalms 16:2Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
Proverbs 21:28Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
John 5:24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy.
Acts 12:15Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
2 Corinthians 4:13Ary satria manana izany fanahin’ ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny, dia mino koa izahay ka miteny;