Bokin'i Zakaria 1:13
Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the LORD answered the angel that talked with me with good words and comfortable words.
In Context
Cross References
Isaiah 40:1Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Jeremiah 30:10Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Amos 9:11Amin’ izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’ i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
Zechariah 1:9Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.
Zechariah 2:4Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy.
Zechariah 8:2Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ ny fahatezerana mafy Aho.