Bokin'i Zakaria 1:14
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
Cross References
Isaiah 9:7Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
Isaiah 40:1Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Isaiah 42:13Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.
Isaiah 63:15Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ ny fonenan’ ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
Hosea 11:8Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’ i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’ i Zeboïma! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
Nahum 1:2Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.