Bokin'i Zakaria 1:16
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 6:14Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.
Isaiah 12:1Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
Isaiah 44:26Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Jeremiah 30:18Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy.
Jeremiah 31:39Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;
Ezekiel 37:24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.