Bokin'i Zakaria 1:3
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.
Cross References
Deuteronomy 30:2ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
2 Chronicles 15:2ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
2 Chronicles 30:6Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
Isaiah 31:6Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.
Jeremiah 3:12Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Jeremiah 4:1Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,