Bokin'i Zakaria 1:5
Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Your fathers, where are they? and the prophets, do they live for ever?
In Context
Cross References
1 Samuel 25:1Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2 Kings 13:20Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
Psalms 90:10Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
Ecclesiastes 9:1Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
Ecclesiastes 12:7ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny.
Acts 13:36Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;