Bokin'i Zakaria 1:9
Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 7:16Dia nanakaiky ilay anankiray tamin’ izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’ izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
Daniel 8:16Ary nandre feon’ olona tao afovoan’ i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
Daniel 10:11Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
Zechariah 2:3Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.
Zechariah 4:11Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
Zechariah 6:4Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?