Bokin'i Zakaria 11:1
Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanao
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Open thy doors, O Lebanon, that the fire may devour thy cedars.
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 11
Cross References
Deuteronomy 32:22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
Jeremiah 22:7Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
Ezekiel 31:3Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin’ ny rahona matevina ny tendrony.
Habakkuk 2:17Fa hanody anao ny loza natao tamin’ i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran’ ny olona sy ny loza natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
Zechariah 10:10Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
Matthew 24:1Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.