Bokin'i Zakaria 11:10
Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 11
Cross References
Numbers 14:34Araka ny isan’ ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
Psalms 50:2Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra.
Psalms 90:17Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.
Jeremiah 31:31Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,
Ezekiel 16:59Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.