Bokin'i Zakaria 11:4
Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thus saith the LORD my God; Feed the flock of the slaughter;
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 11
Cross References
Isaiah 40:9Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Ezekiel 34:23Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
Zechariah 11:7Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
Matthew 15:24Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
Luke 19:41Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
John 21:15Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.