Bokin'i Zakaria 11:7
Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 11
Cross References
Leviticus 27:32Ary ny amin’ ny ampahafolon’ ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’ izay rehetra mandalo eo ambanin’ ny tehin’ ny mpiandry, ho masìna ho an’ i Jehovah.
1 Samuel 17:43Ary hoy ilay Filistina tamin’ i Davida: Alika angaha aho, no hatonin’ ialahy amin’ ny tehina? Ary nanozona an’ i Davida tamin’ ireo andriamaniny ilay Filistina
Psalms 133:1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Jeremiah 5:4Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan’ i Jehovah, na ny fitsipik’ Andriamaniny;
Micah 7:14Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an’ ala ao an-tampon’ i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin’ ny andro taloha ela.