Bokin'i Zakaria 11:9
Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 11
Cross References
Deuteronomy 28:53Ary eo amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Isaiah 9:19Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
Jeremiah 15:2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra, ary izay ho amin’ ny mosary dia ho amin’ ny mosary, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana.
Jeremiah 23:33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.
Jeremiah 43:11Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.
Zechariah 13:8Ary amin’ ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.