Bokin'i Zakaria 12:2
Indro, Izaho hanao an’ i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan’ izany ny hanaovana fahirano an’ i Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 12
Cross References
Psalms 75:8Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
Isaiah 51:22Izao no lazain’ i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
Jeremiah 25:15Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
Jeremiah 49:12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
Jeremiah 51:57Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Zechariah 14:14Ary ny Joda koa hamely an’ i Jerosalema, ary hovorina ny haren’ ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.