Bokin'i Zakaria 12:6
Amin’ izany andro izany ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin’ ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin’ ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin’ ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 12
Cross References
Psalms 149:6Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
Isaiah 10:16Koa izany no anateran’ ny Tompo, dia ny Tompon’ ny maro, fahahiazana amin’ ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
Isaiah 54:3Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
Jeremiah 31:38Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Daniel 2:34Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
Obadiah 1:18Ny taranak’ i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’ i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’ i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’ i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.