Bokin'i Zakaria 13:7
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 13
Cross References
Deuteronomy 32:41Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Jeremiah 47:6Indrisy ry sabatr’ i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midìra ao amin’ ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.
Ezekiel 21:9Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan’ ny sabatro amin’ ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,