Bokin'i Zakaria 13:9
Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 13
Cross References
Leviticus 26:12Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
Deuteronomy 26:17Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
Job 23:10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Psalms 34:15Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
Psalms 50:15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Psalms 91:15Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.