Bokin'i Zakaria 14:10
Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
Read all of Bokin'i Zakaria 14
Cross References
Joshua 15:32sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
Judges 20:45Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
Judges 21:13Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ ny taranak’ i Benjamina, izay tao amin’ ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
1 Chronicles 4:32Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
2 Chronicles 25:23Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Nehemiah 3:1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.