Bokin'i Zakaria 14:16
Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 14
Cross References
Leviticus 23:34Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah.
Numbers 29:12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Deuteronomy 31:10Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,
2 Chronicles 8:13eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.
Nehemiah 8:14Dia hitany voasoratra teo amin’ ny lalàna, izay nampandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo ny Zanak’ Isiraely amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny volana fahafito,
Isaiah 6:5Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko.