The Bible Software
bible.software › Bokin'i Zakaria › Bokin'i Zakaria 14 › Bokin'i Zakaria 14:20

Bokin'i Zakaria 14:20

Amin’ izany andro izany dia hisy ao amin’ ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon’ i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ ny alitara.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

In that day shall there be upon the bells of the horses, HOLINESS UNTO THE LORD; and the pots in the LORD’S house shall be like the bowls before the altar.

In Context

19Izany no fampijaliana an’ i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.

21Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ ireny ka hahandro aminy. Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.

Read all of Bokin'i Zakaria 14

Cross References

Exodus 25:29Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.

Exodus 28:36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.

Exodus 39:30Ary ny takelaka ho eo amin’ ny diadema masìna dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.

Leviticus 8:9Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masìna, dia nataony teo anoloana amin’ ny hamama, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

Numbers 4:14Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran’ afony sy ny fitrebiny sy ny sotron’ afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.

Numbers 7:19Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Zakaria 14:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Zakaria 14:19Bokin'i Zakaria 14Bokin'i Zakaria 14:21 →