Bokin'i Zakaria 14:4
Ary amin’ izany andro izany ny tongony hijoro eo an-tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’ i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 14
Cross References
2 Samuel 15:30Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
Ezekiel 11:23Ary ny voninahitr’ i Jehovah niakatra niala tao amin’ ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra atsinanan’ ny tanàna.
Ezekiel 47:1Dia nentiny niverina ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ ny tokonan’ ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano teo atsimon’ ny alitara.
Micah 1:3Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany.
Nahum 1:5Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
Zechariah 4:7Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!