Bokin'i Zakaria 3:4
Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’ izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’ Ilay Anjely.
Cross References
1 Kings 22:19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Psalms 51:9Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
Isaiah 6:5Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko.
Isaiah 43:25Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
Isaiah 52:1Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.