Bokin'i Zakaria 3:9
Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’ i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ ity tany ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 28:11amin’ ny asan’ ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
Exodus 28:36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
2 Chronicles 16:9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
Isaiah 8:14Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
Isaiah 53:4Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.
Jeremiah 50:20Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan’ ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok’ izay sisa narovako.