Bokin'i Zakaria 4:9
Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Cross References
Ezra 3:8Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Ezra 6:14Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.
Isaiah 48:16Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
Zechariah 2:11He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
Zechariah 6:12dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.
Matthew 16:18Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.