Bokin'i Zakaria 5:2
Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
Cross References
Genesis 6:11Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady heni-doza;
Amos 7:8Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
Zechariah 4:2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
Revelation 18:5Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.