Bokin'i Zakaria 5:4
Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 7:26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
Joshua 9:20Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
Job 8:22Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.
Job 20:26Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy.
Habakkuk 2:9Lozan’ izay fatra-pila harena amin’ ny tsy marina ho an’ ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin’ ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan’ ny loza
James 5:2Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.