Bokin'i Zakaria 6:14
Ary ny satro-boninahitra dia ho an’ i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak’ i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Exodus 28:29Ary Arona hitondra ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely eo amin’ ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
Numbers 31:54Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah.
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
Matthew 26:13Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Acts 10:4Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra.