Bokin'i Zakaria 6:5
Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
Cross References
1 Kings 19:11Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ ny tendrombohitra eo anatrehan’ i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’ i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny horohoron-tany;
2 Chronicles 18:18Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Job 2:1Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.
Psalms 104:3Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra,
Psalms 148:8Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
Ezekiel 1:5Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan’ aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik’ olona.