Bokin'i Zakaria 7:10
ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 22:21Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
Deuteronomy 24:14Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao.
Psalms 21:11Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;
Psalms 72:4Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Proverbs 3:29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
Proverbs 22:22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;