Bokin'i Zakaria 7:2
ary Betela efa naniraka an’ i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin’ i Jehovah
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 32:11Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
1 Kings 13:6Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Ezra 6:10mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
Ezra 8:28Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
Jeremiah 26:19Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an’ i Jehovah va izy ka nifona tamin’ i Jehovah, ka dia nanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin’ ny tenantsika.
Zechariah 8:21ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.