Bokin'i Zakaria 7:5
Lazao amin’ ny vahoaka rehetra amin’ ny tany sy amin’ ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin’ izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
Cross References
2 Kings 25:25Ary tamin’ ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, isan’ ny fianakavian’ ny mpanjaka, mbamin’ ny olona folo lahy koa ka namely an’ i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
Isaiah 58:3Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.
Jeremiah 25:11Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’ i Babylona fito-polo taona.
Zechariah 1:12Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
Zechariah 7:6Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy mihinana sy misotro ho an’ ny tenanareo ihany va ianareo?
Matthew 5:16Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.